jeudi 23 février 2012

“Vavaka fitaovana mahery vaika”

An-dalan-tsoratra notsoahina avy tamin’ny boky “Vavaka fitaovana mahery vaika” (toro-làlana ho an’ny vondrom-bavaka) pejy faha 6 . Nosoratan’ Atoa Rakotolehibe Mamy, Talen’ny FMMB

(…) Isan-karazany ny vavaka, ary azo ampiharina arakaraka izay zava-misy handalovantsika eo amin’ny fiainana an-davanandro.

• Manoloana ny zava-tsoa lehibe tsy nampoizina, avelao hibahana ny fideràna , eo no mieritreritra ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy maninona raha tahiny ka mivoaka be ny fihetseham-po, fa asandrato ny fihobiana sy ny fihiràna ny Salamo; sady misaintsaina rahateo ao anatin’izany ireo toetran’Andriamanitra (Salamo 103.8)

• Amin’ny fotoana fahatsiarovana ho nanao ny tsy nety kosa, aza misalasala manao fiaikena sy ny fifonana, miaro fandinihina lalina ny toe-po ( Sal 139.23 ).
Meteza handeha amin’ny fanetren-tena, tsy miolakolaka ( 2Tantara 7.14)

• Raha sendra mavesatra ny fo fa tambesaran’ ireo zava-misy hatrehina (lonilony, tsy fitiavana, fihatsaram-belatsihy…s.n.s ) aoka handinin-tena hitsahatra, mangina aloha ( Sal 46.10), aza maika ny hiteny (Mpitoriteny 5.1) , fa aleo aloha manokatra ny fo hihaino (Apok 2.17)

• Manoloana ny fakam-panahy hiziriziry sy hanamafy fo, dia zava-dehibe loatra ny Mandray sy Mihaino ny Teny (Jer 23.29) ka mitsakotsako izany fotoana maharitra (Josoa 1.8)

• Amin’ny androm-pifaliana , raha ravoravo ny fo, aoka hitobaka ny fisaorana “ Misaora an’i Jehovah ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina” (Salamo 103.1). Tanisao mihitsy ireo fitahiana rehetra noraisina (1Tesal 5.18)

• Raha tahiny mamely ny fisalasalàna ka toa manjavozavo mihitsy ny zava-drehetra, aoka ho Mahiratra, misaina ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany (Kolos 4.2)
Amin’izay ilàna ny fitahiana sy ny fitarihan’Andriamanitra mazava, sahia manao fangatahana, ho an’ny tena manokana (Matio 7.7), ary ho an’ny hafa (1Tim 2.1-2): (asa aman-draharaha, fanadinana, fahasalamana, fivelomana …)

Santionany ihany ireo notanisaintsika ireo amin’ny karazam-bavaka azo atao .
Ao anatin’izany isika no mihazona ny Teny Fampanantenàna omen’ny Tompo. Fanamby ilaina ho tanterahana izany !