mercredi 14 mars 2012

“Sarobidy sy zava-dehibe ny VAVAKA”


Sarobidy sy zava-dehibe tokoa ny VAVAKA eo amin’ny fiainana Kristianina. Noho izany indrindra dia nanomboka tamin’ny taon-dasa 2011, ao anatin’ny fanamarihana ny Androm-bavaka maneran-tany , ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy dia manatanteraka ihany koa ilay « Efitrano Mangotrakotraky ny vavaka » na ny « Boiler Room ». Na dia fiantobohana aza izany dia nisy ireo olona izay tonga nivavaka, nanoratra antom-bavaka ihany koa nandritra izany fotoana izany, nifampitondra am-bavaka . Ho an’ny taona 2012 dia hisy hatrany izany eto amin’ny Foibe FMBM Antaninarenina. Manentana ihany koa anefa ho antsika rehetra izay afaka manangana izany mba hanatanteraka izany .Marihina fa tsy voatery ho efitrano lehibe na hoe toerana raitra dia raitra fa afaka manomboka amin’izay toerana ahazoana manomboka izany.

jeudi 23 février 2012

“Vavaka fitaovana mahery vaika”

An-dalan-tsoratra notsoahina avy tamin’ny boky “Vavaka fitaovana mahery vaika” (toro-làlana ho an’ny vondrom-bavaka) pejy faha 6 . Nosoratan’ Atoa Rakotolehibe Mamy, Talen’ny FMMB

(…) Isan-karazany ny vavaka, ary azo ampiharina arakaraka izay zava-misy handalovantsika eo amin’ny fiainana an-davanandro.

• Manoloana ny zava-tsoa lehibe tsy nampoizina, avelao hibahana ny fideràna , eo no mieritreritra ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy maninona raha tahiny ka mivoaka be ny fihetseham-po, fa asandrato ny fihobiana sy ny fihiràna ny Salamo; sady misaintsaina rahateo ao anatin’izany ireo toetran’Andriamanitra (Salamo 103.8)

• Amin’ny fotoana fahatsiarovana ho nanao ny tsy nety kosa, aza misalasala manao fiaikena sy ny fifonana, miaro fandinihina lalina ny toe-po ( Sal 139.23 ).
Meteza handeha amin’ny fanetren-tena, tsy miolakolaka ( 2Tantara 7.14)

• Raha sendra mavesatra ny fo fa tambesaran’ ireo zava-misy hatrehina (lonilony, tsy fitiavana, fihatsaram-belatsihy…s.n.s ) aoka handinin-tena hitsahatra, mangina aloha ( Sal 46.10), aza maika ny hiteny (Mpitoriteny 5.1) , fa aleo aloha manokatra ny fo hihaino (Apok 2.17)

• Manoloana ny fakam-panahy hiziriziry sy hanamafy fo, dia zava-dehibe loatra ny Mandray sy Mihaino ny Teny (Jer 23.29) ka mitsakotsako izany fotoana maharitra (Josoa 1.8)

• Amin’ny androm-pifaliana , raha ravoravo ny fo, aoka hitobaka ny fisaorana “ Misaora an’i Jehovah ry fanahiko; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina” (Salamo 103.1). Tanisao mihitsy ireo fitahiana rehetra noraisina (1Tesal 5.18)

• Raha tahiny mamely ny fisalasalàna ka toa manjavozavo mihitsy ny zava-drehetra, aoka ho Mahiratra, misaina ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany (Kolos 4.2)
Amin’izay ilàna ny fitahiana sy ny fitarihan’Andriamanitra mazava, sahia manao fangatahana, ho an’ny tena manokana (Matio 7.7), ary ho an’ny hafa (1Tim 2.1-2): (asa aman-draharaha, fanadinana, fahasalamana, fivelomana …)

Santionany ihany ireo notanisaintsika ireo amin’ny karazam-bavaka azo atao .
Ao anatin’izany isika no mihazona ny Teny Fampanantenàna omen’ny Tompo. Fanamby ilaina ho tanterahana izany !